==> TONONKIRA * Rija Ramanantoanina - Fiainana kely * Fiainana - TopicsExpress



          

==> TONONKIRA * Rija Ramanantoanina - Fiainana kely * Fiainana kely tsy mirehareha Fiainana kely tsotsotra izay ny ahy Tsy trano manjelatra, tsy tafom-bazaha Fa tafo mololo izay ihany aloha ny ao Fa raha ny fitiavanao no mankao Raha ianao iriko no miantrano ao Hanjary lapa ilay bongo kely Na mpanjaka aza hangetaheta ny ho ao Ho tondraka ronono, hitobaka tantely Fa tojo ilay niriako aho, sady tojo anjely Ny fitiavanao hamoronako hira Hokaloiko ho anao na maraina na hariva Hindramiko koa ireo hira fanaoko Hitety tontolo hidradradradrako Fa tiako ianao Tena tiako ianao Mirary torimaso mamy ho antsika rhtr indray e!!!! Mlay b daol nareo!!!
Posted on: Thu, 29 Aug 2013 19:48:23 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015