2 ho an’ny Filoham-pirenena, mbamin’izay rehetra manana - TopicsExpress



          

2 ho an’ny Filoham-pirenena, mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. 5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, 6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’izao androny izao. 7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana. (I Timoty 2:2-7)
Posted on: Fri, 05 Jul 2013 20:14:21 +0000

Recently Viewed Topics




© 2015