ANDRIAMANITRA MAMPIONONA NO ANTOKA. Iza amintsika no tsy mbola - TopicsExpress



          

ANDRIAMANITRA MAMPIONONA NO ANTOKA. Iza amintsika no tsy mbola nalahelo mafy, ka vaky vava tahaka ny mpanao Salamo hoe: Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko ? -Salamo 42.5,11 43.5. Mitanondrika sy mitoloko : samy fihetsem-po mety mahazo antsika avy ireo. Mitodika any aminAndriamanitra isika aminizany, saingy toa manetsi-tadíny (tsy miraika) aminny fitarainantsika Izy. Tsy hoe tsy tia antsika anefa Izy raha toa ka tsy manome izay valiny andrasantsika, andrandraintsika. Raha mandinika ny fahoriana niaretani Kristy fony tety amboninny tany isika, dia mahatsapa fa ny fahoriana faranizay mafy indrindra dia MIFAMATOTRA AMINILAY FITIAVANA TONGA LAFATRA AO AMINANDRIAMANITRA. Ka hoy Izy : Izaho dia Izaho no mampionona anareo. Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo. -Isaia 51.12 & 66.13 Mandrenesa ny fivavako, Tompo ô,... aza mangina aminny ranomasoko. -Salamo 39.12 Ataovy eo an-tavoahanginao ny ranomasoko, tsy eo aminny bokinao ve ireny? -Salamo 56.8 Aiza re no hahitako Izay hampionona ny fo ? Iza re no handrandraiko, Ndrao tolanny manjo ? Ô ! ry ory sy mahantra, Manatóna AHY izao He, ny foko feno antra Hampiadana anao Eny manatóna AHY feno fitiavana
Posted on: Sun, 02 Nov 2014 06:50:33 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015