ARAHO NY BAIBOLY SALAMO 88 Vavaka nataonizay nasianny - TopicsExpress



          

ARAHO NY BAIBOLY SALAMO 88 Vavaka nataonizay nasianny fahoriana mafy ka toa foinAndriamanitra 1 Tonon-kira. Salamo nataonny Koraita. Ho anny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataoni Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro amanalina no itarainako eo anatrehanao; 2 Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano aminny fitarainako ny sofinao; 3 Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita. 4 Natao ho isanizay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery; 5 Efa nafoy ho any aminny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao. 6 Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao aminny maizina, dia ao aminny lalina. 7 Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. 8 Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka. 9 Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isanandro aho, Mamefy tanana aminao aho. 10 Haneho fahagagana aminny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao? 11 Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any aminny fandringanana? 12 Ho fantatra ao aminny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao aminny tany fanadinoana? 13 Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina. 14 Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko? 15 Ory aho ka efa ho faty hatraminny fahazazako; Raha itambesa-ranny fampitahoranao aho, dia very hevitra; 16 Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matinny fampitahoranao aho; 17 Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy. 18 Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
Posted on: Sun, 03 Nov 2013 03:11:15 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015