AZA VOANY..... Sendra ny tsy nampoizina Ilay ora toa - TopicsExpress



          

AZA VOANY..... Sendra ny tsy nampoizina Ilay ora toa nanozona Ireto mpangala-pitia Efa zatra niriaria Tonga ny tompom-bady Nanjono sy hitady Ilay mpangalan-ketsa Fantatry ny rehetra Nandondona mafy Tsy nihafihafy Vohay ny trano ramatoa Sady naronjony ihany koa Nikoropaka ny tao antrano Izay ity vao ho angano Nifanao baiko moana Nijery ny anoloana Tsy hita izay atao Ny atsy vahao, vahao Tao antsainilay sakaiza Hitsoaka nefa ho aiza Hany ny fara-hery Hanao fangalampiery Nitady izay hiafenana Mba tsy hanenenana Ny hevitra hita farany Tsy nahaleo ny sarany Eny ambaravaran-kely No nandrazona nihery Ny andro moa atoandro Adino ny niakanjo Ny trano ambony rihana Arabe no azo tsirihana Mangazay no ao ambany Ka be no nanontany Hoe iza iry ambony iry Tsy namaly mihitsy ilery Asa izay nahazo azy Fa toa olona voasazy Ka reraka be i ranamana Nila tolory tanana Ilay tompombady indray No nisarika saika fay Tsy nahateny intsony Toa mamondrongony
Posted on: Sun, 09 Feb 2014 17:12:46 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015