Dia mbola mitohy ihany ny fampijaliana ny mpanjifa e ! Androany - TopicsExpress



          

Dia mbola mitohy ihany ny fampijaliana ny mpanjifa e ! Androany izao a, tokony ho teo amin’ny efatra ora folak’andro teo dia niandry taksibe teo amin’ny cheval blanc, Mamory-Ivato ny tenanay. Olona maro no indreo milahatra eo an-tsisin’ny arabe, ary mila hameno ny ampahefatry ny arabe avy ao andrefana aza; miandry ny fiara avy any amin’ny Horizon sy ny tsena Ivato hiakatra hamonjy renivohitra. Feno avokoa izay fiara tonga rehetra, ary feno miraviravy aza; tsy misy mijanona mihitsy fa avy hatrany dia mandala avokoa afa-tsy vitsivitsy ihany. Saingy raha sendra misy mijanona aza eo anoloanay, dia hatreo Talatamaty ihany na Andranomena, fa tsy misy mihitsy ny miakatra. Hatry ny maraina io fifanosehan’ny olona io, satria toa tsy ampy ny fiara niasa. Betsaka ny siosion-dresaka fa toa nanao special ny ankamaroany. Toa nivadika indray aza ny fahenoana azy rehefa kelikely fa misy misava patanty, hono, ka maro ny mihodina an-dàlana hiala mpisava. Dia manao tapa-dàlana e! Io hariva io àry! Rehefa tsy nahazo fiara teo amin’ny cheval blanc ny tenanay, dia somary nandeha an-tongotra hihazo an’I Mandrosoa, kinanjo rehefa teo amin’ny Gastro Pizza, dia indreny nisy fiara anankiroa nifanesy avy tany avaratra tany hihazo an’I Talatamaty. Nijanona teo izy ireo no sady niantsoantso hoe “Andranomena ihany a! Andranomena ihany!”. “Dia tsy miakatra ve?”, hoy ny olona nanontany. –“Andranomena ihany e!”. Dia niakatra tsy fidiny ny olona fa te-hody. Kinanjo, rehefa tonga teo avaaratry ny les pousses-pousses, dia nisy zandary nanakana. Niakatra avy ao aoriana ilay zandary, no sady nanontany hoe : “Ho aiza ity?”. – “Hiakatra”, hoy ny mpamily. – “Tsy manontany mpamily aho!”, hoy izy. Indray niredona ny maromaro fa miakatra io. Kinanjo nisy feo naningana tao afovoany tao fa hoe,hatreo Andranomena ihany io. Azon’ilay zandary ny hevi-dratsin’ireto mpitondra fiara. Lasany tany ny taratasy. Ary tsy niakatra tokoa izy fa hoe tsy maintsy mijanona eo Andranomena eo hanala olona ka hiverina haka ny taratasy lasan’ny zandary. Tsy haiko aloha izay tohiny fa dia nahintsany daholo teo ny mpandeha, ka nihodina hameno hianavaratra indray izy, toy izao amin’ny sary izao no fisehony. Raha izao no mitohy ka tsy misy ny mandray andraikitra, dia very fanahy mbola velona ny madinika, fa hodian’ny afaka miahy tsy jerena… Reraka aho…
Posted on: Fri, 05 Jul 2013 19:54:24 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015