Fiainana eny ambany tanàna/ Backart© Jery hatrika de - TopicsExpress



          

Fiainana eny ambany tanàna/ Backart© Jery hatrika de hatrakao ny loha ! Mitoraka salut de mikofakofa-tanana fa handalo ny filoha! Iny hono no hamoaka atsika @ fahantrana ! Hatramin’izao anefa mbola mijaly ihany izahay ambany tanàna! Izahay koa ange mitovy aminareo ihany mahaloa hetra e! Fa ny tokotaninareo fotsiny no misy pelouse de ny anay somary voretra e! Fa fidiny ho anay ve izany? Izy misintona chasse d’eau de any aminay no mifatratra ny aman…!!! Tsy hoe mahay vava ‘ zah fa mba ataoko sur table le carte! Fa isaky ny fanonganam-panjakana nge, mba nandray anjara ny bandin’ny bakarta e !!! Mba nangataka izahay hoe :omeo ecran plasma sy voiture de sport! De ozy hoe vitantsika izany !!! andao robaina i supreme sy score !!! Mba nangataka izahay hoe : omeo vary fa le vidiny amzao efa tena trop! De ozy hoe omeko maimaim-poana nareo!!! Ndao vakiana magro! Mozambika hono de Maputo de avy eo Adis Abeba! Iarahantsika mahita nge fa zay ambany tanana isanandro tsy mibàbà e ! Izy vao mivoaka ny trano de 4x4 sy sôfera! Fa ny anay le sarety sy kalesa, sady sôfera no môtera!! Manjaka hono izao ny tsy fandriam-pahalemana! De rehefa misy fanafihana de izahay ihany no lemany! Normale ny ao aminay raha tsy misy manafika! Ka inona ary no alainy ao e? telephone foza orana sa le barika ataonay lafika? Ery misy FIS de ery misy EMMO SECURITE! Fa raha tsy hividy esma reo tsy mandalo eny am bas quartier!! Kobony izahay hoe mpiondana lucky dube sy rugby! De nanaovany kianja manara’penitra le 15 Makis Izahay koa ange otranareo mba te hivoatra e ! Fa any aminay refa avy ny orana de rano maloto hatreny ambany fôtra e! Mba ahoana re ny fihetseponareo ra igrevy izahay bas quartier eny @ 13 mai ? Jere!! Mbola tsy tapitra akory ny teniko de ny sasany efa mihomehy! Nareo vao mifarana ny volana de efa mandray vola mazava ho azy! Fa izahay tsy mikaly ny ankizy raha tsy avy manao batlazy! Nareo nge mahitahita e, prôfesera, dokotera! Fa izahay eny ambany tanana, raha tsy panera de dôkera e! De aleo koa itsahatra le fitsarana ivelany raha tsy te ho torana! Ny bandy eny aminay mantsy lazainy hoe rakay de sipa foza orana! Hafatra fotsiny ny anay iny ho an’ny vahoaka sy ireo mpitondra! Fa izahay matoa mangina foana tsy hoe akory apondra! Fa raha henomby nge samy mihinana fa ny anay fotsiny no tripy e! De raha akanjo koa samy manao fa ny anazy stringy de ny anay silipy e! Raha vava koa samy manana fa ny azy ataony am tele Ny vady koa samy manana fa ny azy délaissé! Fomba ny miteny fa tsy misy vokany fa tsy misy vokany izany r’ise a! Fa raha te ahita ny fahamarinany de tongava eny am BAS QUARTIER!!! © Roy Slam
Posted on: Sun, 05 Oct 2014 10:18:26 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015