Ho tonga any Toamasina ny 25 oktobra ho avy izao ilay sambo atao - TopicsExpress



          

Ho tonga any Toamasina ny 25 oktobra ho avy izao ilay sambo atao hoe “Mercy Ships” miaraka amin’ny sambo hopitaly ao aminy. Vokatry ny fanasan’ny governemanta Malagasy ny fahatongavan’izany Merc Ships izany ary hijanona eto hatramin’ny jona 2015 izy ary hanome maimaimpoana fandindina samihafa. Hisy ny ivontoerana manokana ho amin’izany any Toamasina sy eto Antanananarivo ary mila manantona ireo ivontoerana ireo ny olona izay mitady fanampiana amin’ny fandidiana. Ao amin’ny CHU/Hopitaly Manaram-penitra no misy azy ao Toamasina fa ny eto Antananarivo kosa dia mbola holazaina amin’ny manaraka eto ihany. Ny fandindiana dia any Toamasina, eo amin’ny ilay sambo hopitaly ihany Hisy ireo marary voafantina avy amina toerana manaraka iny morontsiraka iny manomboka ny Janoary 2015. Ny toerana sy ny fotoana ary ireo karazana fandindiana dia mbola holazaina eto ihany. Fa raha manan-janaka manan’olana amina ratsam-batana ambany ianao, dia tongava any Toamasina amin’ny Novambra satria amin’io volana io sy ny Desambra ihany no hanaovana ny fandindiana. Raha toa ka olon-dehibe na ankizy avy may ka misy olatra, tongava ny Novambra any Toamasina satria ny Janoary ihany no misy ny fandindiana. Tsiahivina ihany fa mbola holazaina amin’ny manaraka eto ny eto Antananarivo. Ireto ary ny fandindiana homen’ity Mercy Ship ity: • Fivontosana eo amin’ny endrika sy fahasembanana hafa eo amin’ny loha sy tenda toy ny “sima” eo amin’ny molotra sy ny ati-vava, noma ary goitre. • Fanamboarana hernie, fanalana ny lipome • Fanalana ny holatra sy fihenjanana aorian’ny may • Ankizy manana olana eo amin’ny tongotra na Tanana • Vehivavy manna olana eo amin’ny tranon-jaza • Fandidiana maso: cataracte sy pterygion Hisy fitsaboana nify any Toamasina ary tsy maintsy manatona any an-toerana.
Posted on: Sat, 18 Oct 2014 11:15:00 +0000

Trending Topics




SHED Demihave1god was just iced by Zee, which brings the body

Recently Viewed Topics




© 2015