Laza adina: Jules Lachelier : « Inona moa ny filôzôfia ? Ny - TopicsExpress



          

Laza adina: Jules Lachelier : « Inona moa ny filôzôfia ? Ny filôzôfia dia tsy fantatro ». Ahoana ny fiheveranao an’izany ? Soso-kevitra : Efa taon-jato nifadimby maro teo amin’ny tontolon’ny maha olona ny olona ny fisian’ny filôzôfia. Tsy tamboisaina tokoa ireo mpandinika, mpikaroka, manam-pahaizana nilofo sy nanovo fahalala taminy. Mandrak’ity androany anefa toa mbola somambisamby ihany ny atao hoe filôzôfia. Izany indrindra no nahatonga an’i Jules Lachelier namaly ny fanontaniana manao hoe « inona ny filôzôfia ? Ny filôzôfia, hoy izy ihany dia tsy fantatro.». Manambara fahabadoana ve ny tsy fahafantarana ny atao hoe filôzôfia? Sa inoana marina ity filôzôfia ity ? Hamaliana izany fanontaniana izany dia andeha isika hanazava ny antony tsy ahafantaran’i Jules Lachelier ny atao hoe filôzôfia. Rehefa vita izany, dia hampahafantarina eo amin’ny dingana manaraka ny fifandraisana misy eo amin’ny olombelona sy ny maha izy ny atao hoe filôzôfia. (AFAKA TSY MISY FIZARANA FAHATELO SATRIA EFA VOALAZA AO AMIN’NY FIZARANA FAHAROA NY MAHA IZY NY ATAO HOE FILOZOFIA) NB : azo soloina toy izao ihany koa ny fizarana faharoan’ity laza adina ity : eo amin’ny tapany faharoa isika dia handray anjara amin’ny famaliana ny fanontaniana manao hoe : « inona ny filôzôfia ?»
Posted on: Sun, 30 Jun 2013 10:21:23 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015