Manda tsy mety hofotorana Ravalomanana : naiditra am-ponja any - TopicsExpress



          

Manda tsy mety hofotorana Ravalomanana : naiditra am-ponja any Antsiranana i Koumba 03 Novembre 2014 Raha mandà tsy mety hatao famotorana raha tsy eo anatrehan’ny mpisolovava azy, ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika any Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo kosa i Jean Marc Koumba. Nambaran’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny mpitandro filaminana, omaly fa hohadihadiana ny filoha teo aloha, Ravalomanana anio. Voalaza fa tsy nanaiky natao famotorana ny mpanorina ny Tiko raha tsy eo ny mpisolovava azy, ny Me Randrianarivelo Desiré. Raha ny loharanom-baovao rahateo, efa an-dalana nihazo ny any Antsiranana, omaly ity mpisolovava azy ity. Anisan’ny hadihadiana an-dRavalomanana ny momba ny fidirany eto an-tanindrazana. Etsy andaniny, naiditra am-ponja vonjimaika any Antsiranana taorian’ny fandalovany teo anivon’ny fampanoavana i Jean-Marc Koumba. Voalaza fa ny firaisany tsikombakomba amin’ny fampidirana an-tsokosoko ny filoha teo aloha no antony nihazonana azy. Tsy nanana mpisolovava izy tamin’izao raharaha izao. “Natao ny zoma tamin’ny 10 alina ny fakana am-bavany azy ary naiditra am-ponja tamin’ny 11 alina ao Antsiranana”, hoy ny vadiny, Lila Koumba, afakomaly. Tsy voafaritra mazava anefa na tazonina amin’ny toerana manokana na efa any am-ponja tokoa ity mpiambina taloha an-dRavalomanana ity. Hiakatra fitsarana rahampitso Ravalomanana Tsy fantatra kosa ny momba ireo mpiasan’ny ACM efatra anisan’ny voarohirohy na anisan’ireo nalefa any Antsiranana koa aza izy ireo. “Tsy mahalala ny marina momba ny havanay izahay. Voalaza fa efa any Antsiranana izy ireo, nefa raha nanontany momba izany ny mpisolovava, hampiakarina ho hadihadiana aty Antananarivo indray izy ireo anio. Efa niakatra fampanoavana ny zoma teo indray anefa izy ireo ary notanana vonjimaika any am-ponja… Tena manjavozavo tanteraka ny raharaha”, hoy ny fianakavian’izy ireo, omaly. Nilaza ny hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety izy ireo anio. Manoloana ireo rehetra ireo, mety hatao rahampitso any Antsiranana ihany ny fampiakarana an-dRavalomanana sy ireo olona efatra ary i Koumba eny amin’ny fitsarana. Manaraka akaiky ny raharaha ny fitondrana alemà Fantatra koa anefa fa manaraka akaiky izao raharaha izao ny masoivohon’i Alemaina eto amintsika ka nandefa iraka manokana, hanaraka akaiky izany any an-toerana. Mizaka ny zom-pirenena alemà rahateo i Koumba. Manana ny heviny momba izao raharaha izao ny mpomba ny filoha teo aloha. Tsy heloka ny fodiana an-tanindrazana fa zo fototra ary tsy misy lalàna manameloka izany, araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena sady mpisolovava, Razafimanantsoa Hanitra, ny faran’ny herinandro teo. “Raha ny lalàna, ny ambara fa tompon-keloka no hadihadiana voalohany. Izany hoe, ny filoha teo aloha ary avy eo vao ireo voarohirohy. Mifamadika amin’izany anefa ny raharaha satria nohadihadiana mialoha indray i Koumba sy ireo olona efatra”, hoy izy. Nohitsiny fa tokony handalo fanadihadiana avokoa noho ny tandrevaka sy ny tsy fahafehezany ny asany ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fifamoivoizana an’habakabaka. Politika avo lenta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena Hatreto, manjavozavo tanteraka ny fomba nidiran’ny filoha teo aloha, teto an-tanindrazana. Politika avo lenta eo amin’ny mpitondra sa an’ny sehatra iraisam-pirenena? Natosiky ny firenen-dehibe ? Tsy nahitam-baliny koa ny nambara fa fanadihadiana hataon’ny atsy Afrika Atsimo, araka ny nolazain’ny ambasadaorony eto amintsika. Ho tonga hatraiza ary hitondra inona eo amin’ny politika sy ny fiainam-pirenena ity “Raharaha Ravalomanana” ity?
Posted on: Tue, 04 Nov 2014 07:16:33 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015