MofonAina Alahady 03 novambra 2013 MPITORY NY FAHAMARINANA Lio - TopicsExpress



          

MofonAina Alahady 03 novambra 2013 MPITORY NY FAHAMARINANA Lio 17:26-27 Ary tahaka ny taminny androni Noa , dia hisy toy izany koa aminny andronny Zanakolona: nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandrapihavinny andro izay nidirani Noa tao aminny sambo-fiara, dia tonga ny safo-drano ka nandringana azy rehetra. [...] Nitombo izaitsizy ny faharatsianizao tontolo izaotaminny androni Nôà, ka tsy nahazaka izany intsony Andriamanitra (...). Onena ny taranakolombelona anefa Izy, ka noho ny fitiavany dia nanome fialofana ho anireo rehetra izay vonon-kandray izany Izy. Nomeny ani Nôà àry ny hafatra mba hampitainy aminny olona: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao aminny olona ny Fanahiko Gen 6: 3 (...). Niezaka hatrany nifandahatra taminny olona mpikomy ny FanahinAndriamanitra mandra-pahatapitry ny fotoana voatendry, mandra-piditri Nôà sy ny fianakaviany tao anaty sambo fiara, ka ny tananAndrialanitra mihintsy no nanakatona ny varavarany. Niala teo aminny seza fiandrianana volamena ny famindrampo, ka tsy hisy fanelanelanana intsony ho anny mpanota meloka. Tsy dia manompo sampy ara-bakiteny avokoa tsy akory ny olona rehetra taminio taranaka io. Maro taminizy ireo no nanana fahalalana anAndriamanitra sy ny lalàny; saingy tsy hoe nandà fotsiny ny hafatra nentinilay mpitory mahatoky ny fahamarinana izy ireo, fa nampiasa koa ny heriny rehetra hanakanana ny hafa tsy hankato anAndriamanitra. Misy andro iray izahan-toetra sy itokiana ny olona tsirairay. Nanana ny fotoana azony nohararaotina sy tombontsoa manokana io taranaka io, raha mbola nampanakoako ny hafatra fampitandremana ny aminny fandravana izay ho avy Nôà; nekenizy ireo ho eo ambany fanapahani Satana fa tsy ho eo ambany fanapahanAndriamanitra anefa ny fanahiny, ka nofitahini Satana izy ireo, tahaka izay nataony taminireo razambentsika taloha. Haizina sy lainga no napetrany teo anoloanizy ireo ho solonny fahazavana sy ny fahamarinana, ary nanaiky ireo lainga sy habobony izy ireo, satria nankasitrahanizy ireo izany, sady nifandrindra taminny fiainany feno faharatsiana, fa ny fahamarinana izay tokony hanavotra azy ireo kosa dia nolavinizy ireo toy ny fahadisoam-piheverana. Tsy niandany taminny marina ny maro anisa.
Posted on: Sun, 03 Nov 2013 03:04:51 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015