NY RANOMASONAO - Ramy Rabefitia Mpanoratra : Ramy - TopicsExpress



          

NY RANOMASONAO - Ramy Rabefitia Mpanoratra : Ramy Rabefitia Nampiditra : urel Daty : 29/03/2008 Mpamangy : 540 Isa : 3.5 Fidio : NY RANOMASONAO 1 - " Sivy amby roapolo Marsa…fito amby efapolo. Raha mbola malagasy, mahatsiaro an’io daholo. Fotoana nanoherana ny fanjanahantany, Kanjo habibiana no setriny avy hatrany. Tsy tanty ny alahelo, nitomany ianao ry Nosiko Zava-nisy izany, tsy angano na hoe nofiko. Tsy ranomaso anefa, na dinitra tsy akory, Toy’zay fahita ihany amin’izay rehetra ory, Fa rà nijininika no namonto tava anao ! Ireo tanànanao potika sy lao, Ny alanao matevina, mainty ngalingaly Nirehitra avokoa. Vao mainka koa nijaly Ianao voafatotry iny ! Ty hay nalaina sary Ireto zanakao nataony "jinja-fary". Dray...tsaroako loatra ireny ! Toa renin- jaza iray Misaritadrita-bolo f’efa may dia may, Mibaby izato zanany, misikina am- balahana, Handeha hiriotra, himaona hitady fahafahana, No fahitana anao. Kanjo teo indrindra , Voatifitry ny bala ka tsy afaka namindra: Nihohoka amin-janany...nitrosona amin’ny tany ‘Lay ranomaso iny nifangaro tamin’ny ràny! Ny sandry rotidrotika, tsy zakany niaingaina Hambobàny an-janany efa miala aina...! 2 - Malagasy iza no nahajery izany, Ka tsy ho nihidy vazana,nirotsaka avy hatrany ? Afa-tsy ‘reo’zay nisolelaka niandàny, Nanaiky hampiasain’ireo mpanjanantany, Hamono "gasy namany"rehefa notambazany, Tsy nisaina akory, niamboho ny Tanindrazany. Ho amin’izy ireny sy ny zanany, taranany, Ny ràn’ny malagasy nihosina amin’ny tanany. Moa tsy mahonena raha firenena iray Noverezin-jo’zay elabe izay, No mihoitra mba hitaky ny "Satam- pireneny", Ka basy sy tafondro no asetra azy ireny ! 3 - Nitomany Ianao ry taniko...nitomany Ianao fahiny ! Isaorana Andriamanitra, fa he ankehitriny, Niverina indray ny "FIANDRIANANAO"! Fa saingy mbola io, tsy maty ny "HOLATRAO". Fa mbola tazanay taranaka doria...! Raiketinay anaty ! Eny...matokia Fa hatr’izao Ianao tsy hitomany intsony F’efa mba nitsiry, nitsimoka,namony Ny "solofo"dimbin’antsin’ireo lavo tany an’ady". Ka azo ianteherana, hialofana sahady. Ny ràanao mihitsy no rano nanondrahana Ny fakan’izy ireo handala FAHAFAHANA ! 4 - Orohoko eto anio, Io "HOLATRAO" io, Ho toy ny "velirano", fa any andro any, Na eto an-toerana eto, na any an-kafa izany, Ka hisy hanositosika, hisakana ,hibahana, Ny tany iray voageja, tsy hahazo fahafahana, Dia ho fahavalony aho, atsangako izy ho rafiko. Raha sendra moa aho ka lavo, ny zanako aman-jafiko Hanohy hatramin’ny farany " Tolona"imatesiko. Satria ny FAHAFAHANA ho lova ho azy apetrako, Matokia ry Nosiko, ny ranomasonao No efa niova ho hery isalorako hatr’izao !
Posted on: Tue, 23 Jul 2013 18:10:32 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015