Ry lapanny rahona misy ani Dada, Akaro ny foko hiantefa aminao - TopicsExpress



          

Ry lapanny rahona misy ani Dada, Akaro ny foko hiantefa aminao Zaza tanora ka mbola mibada Ary tsy mahalala akory izay tokony atao! Farito ny tanjona mbola hosedraina Iakaranny saiko hitsinjo ny diako, Torovanny embona manaintaina Sahira-mitady izay itoniako Iriko ry Dada ny mba hanatratra Reo Paradisa natokana ho ahy Eh! jereo ny fitemponny foko maratra Sitrano ny atinny fo sy fanahy Yva dia iva ity misy ahy! Hikopaka ho aiza ny elatro lahy, Aiza ny tanjona mbola hosedrainy Revom-pitiavana tonga tsy nahy Izy tsy eto izaho koa tsy any Nankaiza ilay hirako izay nokaloina Ialofanny embona sisa tsy tana Ravahanny endrika iray toa domoina Irika kely tsy azo ialana nikimpy aho natory tsy nahalala akory Anity eo akaiky mampiaraka feo Yzy variana, izaho tsy matory Olona roa fa tsy toy ny ankeo Lalandy! Nandravaka ny alina tony Andro mamelana toy ny voahary. Namelana tampoka tao aminny fony Dimbiasanny elatra lolom-boasary! Entano ny foko hiantefa aminao Elatra ikopaka andeha any ho any, Meteza ho ravaka mety hanavao Itony habakabaka misy eto an-tany Lalandy! hoy ny molotro sendra niteny Inona moa no tiako ho ambara? Efa voasoratra ombieny ombieny Ny rafitra kanto noheveriko ho tsara Najanoko teo ny fisosanny peniko Ekeko sy tiako, ny Anaranao izay noteneniko!!! RAZAFITSIRESY Harinirina Yolande Emilienne
Posted on: Sun, 20 Oct 2013 17:35:46 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015