Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo - TopicsExpress



          

Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, fa araka ny iombonanareo fijaliana amini Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra aminny fisehoanny voninahiny koa. Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anarani Kristy, fa ny Fanahinny voninahitra, dia ny FanahinAndriamanitra, mipetraka ao aminareo. Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny anolona. Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza anAndriamanitra aminizany anarana izany izy. Fa tonga ny andro hiantombohanny fitsarana hatrao aminny ankohonanAndriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaranizay tsy manaiky ny filazantsaranAndriamanitra? 18 Ary raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy ny mpanota? (Oha 11. 31). Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitraponAndriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho anilay mahatoky, dia ny Mpanao azy. IPet 4/12-19
Posted on: Fri, 08 Nov 2013 05:28:33 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015