1 JEHOVAH no Mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho, 2 Mampandry - TopicsExpress



          

1 JEHOVAH no Mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho, 2 Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; Mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. 3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; Mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. 4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, Dia tsy hatahotra ny loza aho; Fa Hianao no amiko; Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. 5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Hianao; Manosotra diloilo ny lohako Hianao; Ny kapoakako feno dia feno. 6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, Dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho. Salamo 23
Posted on: Fri, 08 Nov 2013 11:28:46 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015