Ny toerana misy ny ankabeazan’ny olona dia vokatry ny safidy - TopicsExpress



          

Ny toerana misy ny ankabeazan’ny olona dia vokatry ny safidy nataony ihany ; manaiky ho resy mialoha manoloana ny zava-mitranga, izay hita fa tsy mahafapo akory, kanefa dia mionona amin’izay eo ary tsy mivonona hanova na tsy sahy manova ny misy ho amin’ny tsara kokoa. Tonga manan-toetra tezi-dava sy fatra-panome tsiny ny hafa, na ny lahatra, na ny zava-misy fotsiny fa tsy mahafehy tena ho tony mandrakariva manoloana ny toe-javatra mitranga, mba hananana saina mahatsinjo mialoha ny olana mety hitranga ka misoroka izany amin’ny fampiasàna ny irika fanararaotra rehetra miseho (opportunités). Iriko ianao mba tsy ho isan’izay miraviravy tànana.
Posted on: Thu, 20 Jun 2013 13:42:17 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015